Vous êtes ici : La Une Actualités 50 taonan’ ny fahaleovan-tena ny Madagasikara

50 taonan’ ny fahaleovan-tena ny Madagasikara
PDF Imprimer Envoyer
Actualité
Samedi, 17 Juillet 2010 17:42

Hanao ahoana ny hoavy?

Efa manitra ny fety eto an-tananan’i Diego. Andro vitsy sisa dia ho tonga ny 26 jona, andro hankalazana ny faha 50 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tenany. Ratsy fahatongavana ve ity fety ity sa kosa hitondra rivo-baovao ho an’ny firenena?



Fanjanahana nandritry ny 64 taona, 50 taona nahazoana fahaleovan-tena, mapitaha ny zava-misy ireo efa nahazoazo taona. Mazava ho azy fa nijaly izy ireo nandritry ny andron’ny Frantsay, saingy tsy adinony kosa fa namela zavatra tsara ihany ireo. Fotoana tokony hanaovan’ny Malagasy rehetra jery todika izao, nataontsika inona io fahaleovan-tena io? Tsy lavina fa 50 taona izany raha ara-tantara dia vanim-potoana fohy ihany, saingy tao anatin’izany ny firenena sasany efa tena lasa lavitra.
Nandritry ny fakanay ny hevitry ny olona, lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, no nahafantaranay ny fahadisoam-panantenan’ny mponina eto Antsiranana, manoloana ny zava-misy ankehitriny.
« Faly daholo ny olona tamin’ ny 26 jona 1960 tamin’ny nilazana hoe mahaleo tena i Madagasikara », mampatsiahy ny zava-nisy tamin’izany ny lehilahy iray, enim-polo taona eo ho eo « satria ny fahalevan-tena taminay dia nidika hoe fihafaran’ny faneriterena sy ny asa mafy, sns. » Fanampin’izay koa lalana vaovao mihintsy no nosafidiana, nofaranana ny fitondran’ny mpanjaka ny firenena fa niditra tamin’ny Repoblika. 12 taona tao aorian’izay fotsiny anefa dia efa nisy olana sahady satria niala teo amin’ny Fitondrana ny Filoha tamin’izany dia i Philibert Tsiranana. Nomeny ny governemanta-na teknisiana ny fahefana izay notarihan’ny Général de division Gabriel Ramanantsoa. Raha ny fanazavan’ity lehilahy ity ihany dia noheverin’ny Malagasy tamin’izany fa fahadisoana azo ahitsy ihany no niseho. Saingy vao fiatombohana fotsiny iny fa ny 50 taona niainana ny fahaleovan-tena dia voamarikin’ny krizy ara-politika efatra.
Ny fanontaniana mipetraka ary amin’izao vanim-potoana ara-tantara lalovantsika izao dia hoe : tena mahaleo tena marina sy tanteraka ve Madagasikara ? Raha fiandrianina ara-politika no atao hoe fahaleovan-tena, miampy fahaleovan-tena ara-bola sy ara-toe-karena. Dia mifanohitra ihany ny hevitry ny olona mahakasika izany. Tamin’ny vehivavy iray nametrahanay ny fanontaniana, ny valin-teniny dia hoe: « Fahaleovan-tena inona no misy eto? Tsy mahaleo-tena izany isika. Ny volan’ny vazaha no hivelomantsika satria isika miasa aminy na ny zanantsika miasa any Eropa no manampy. » Ny sasany kosa dia milaza fa tsy ny fisokafantsika amin’ny any ivelany, ara-barotra sy ara-kolotsaina akory dia midika fiankinan-doha.
Hatramin’izao aloha dia samy tsy nahita vaha olana amin’ny krizy na ny GIC na ny mouvances 4, miha lalina isan’andro ny fahantrana hiainan’ny vahoaka. Manome soso-kevitra tsy an-kiato kosa ny fikambanana isan-karazany sy ny fiaraha-monim-pirenena. Tato ato ary dia heno hatramin’ny hoe hiverina amin’ny fitondram-mpanjaka sy ny hoe hiverina hitambatra amin’ny Frantsa. Raha nanontanianay ny hevitr’ireo olona nihaona taminay dia sady tsy nihatsara ivelatsihy izy ireo no nilaza tanteraka ny tao an-tsainy momba ny fiverenana amin’ny Frantsay: « Ka rehefa tsy hahaleo-tena tanteraka isika, maninona raha atao an-taratasy amin’izay mazava tsara » hoy ny lehilahy iray. « Izay ny ahy no tiako kokoa » hoy kosa ny vehivavy iray « amin’izay tsy misy olana amin’ny visas rehefa ho any France sady tsaratsara kokoa ny fiainana…ohatran’ny Réunionnais e! » Olona iray kosa no nandà, nohazavainy fa tsy ho vitan’ny Frantsa mihintsy ny hitondra firenena ohatran’i Madagasikara : lehibe loatra sady efa reraky ny fahantrana. « Sady mbola tsy nahita mihintsy aho hoe firenena iray niady ho an’ny fahaleovan-tenany, nefa namerina izany 50 taona taty aoriana » hoy ihany izy.
Ny amin’ny fanantenan’izy ireo ny amin’ny hoavin’i Madagasikara kosa dia tsy dia matoky loatra ny olona eto Antsiranana. Misy mpivaro-boanjo ao Bzarikely ary nilaza hoe: « Tsy te-ho kivy tanteraka aho fa raha amin’izao fandehan-javatra izao, tsy hahita an’i Madagasikara handeha amin’ny fampandrosoana mihintsy aho. Ny zanako angamba fa tsy amin’izao fotoana ahavelomako izao. » Aminy dia tsy ho ato ho ato ny fandrosoan’i Madagasikara. Raha ny amin’i Diego kosa, hatramin’izao aloha dia mbola mahafinaritra ny miaina eto Antsiranana na dia tsy mbola nisy olana ara-pahandriam-pahalemana toy izao ary teto Diego hatrizay.
Miandry ny fotoana tsy hisian’ny fampanantenana poak’aty intsony ny vahoaka malagasy,dia ny fotoana tena mba hiasan’ny mpitondra. Na izany na tsy izany, mbola vonona hiezaka hatrany ny mponina eto Antsiranana. Antenaina fa tsy faniriana fotsiny ity teny filamatry ny 50 taonan’ny fahaleovan-tena ity fa tena ho fihetseham-po hanentana ny olom-pirenena tsirairay : « Hambom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana. »

Maholy



Partagez cette page :
Facebook Google Technorati Digg-France Twinik

Ajouter un Commentaire

Les commentaires sont écrit par les lecteurs de la Tribune de Diego et engagent leur seule responsabilité.
La rédaction se réserve le droit de supprimer les commentaires injurieux ou inconvenants.


Code de sécurité
Rafraîchir


 

La Météo

Vendredi
10 Fevrier
Partiellement couvert
Partiellement couvert

Max. : 31°c
Min. : 23°c
Samedi
11 Fevrier
Partiellement couvert
Partiellement couvert

Max. : 31°c
Min. : 23°c
Dimanche
12 Fevrier
Risque d'orage
Risque d'orage

Max. : 35°c
Min. : 23°c
Lundi
13 Fevrier
Risque d'orage
Risque d'orage

Max. : 30°c
Min. : 23°c
Mardi
14 Fevrier
Risque d'orage
Risque d'orage

Max. : 30°c
Min. : 23°c
Mercredi
15 Fevrier
Risque d'orage
Risque d'orage

Max. : 30°c
Min. : 22°c

Toute la météo


La Tribune de Diego en PDF

Télécharger La Tribune de Diego N°47 en PDF
N°47
Semaines du 8 au 21 février 2012
Télécharger
La Une : Le Ministre de la Jeunesse à la rencontre des jeunes de Diego Suarez
Présentation de voeux 2012 : discours très optimiste du Chef de Région
HISTOIRE : Industries et in dustrie ls à Die go Suarez dans les ann ées 1900
Dossier : Les fondeurs d’aluminium : Un artisanat de haute technicité



Initialisation de l'Agenda...



Bannière

Bannière

Sports


RSS
Bannière

Dénonciations à la suite des arrestations de foroches à Ramena

Les délinquants arrêtés à Ramena ont dénoncé d'autres jeunes qui font partie de leur groupe et des bandes adverses. Les éléments de la gendarmerie nationale ont procédé donc à d'autres arrestations durant la semaine du 23 janvier. Ainsi, au total le nombre d'individus appréhendés pour avoir fait partie de bandes de malfaiteurs est de 29 dont une femme qui clame son innocence, présumée avoir fourni de l'argent à un des groupes. Certains de ces jeunes sont des récidivistes, incarcérés déjà deux ou quatre fois. D'après les résultats des enquêtes, un seul parmi ces 28 jeunes gens vit avec ses deux parents. Les autres vivent avec leurs grands-mères, leurs mères, leurs tantes ou n'ont pas de domicile fixe.

Lire la suite...

La Tribune de Diego
La Tribune de Diego
et du Nord de Madagascar

Tél : +261 32 75 068 35
tribunedediego@gmail.com

Galerie Impériale
5 Avenue Lally Tollendal
201 Antsiranana


LaTribune de Diego est éditée par :
SARL Groupe Nord Média

Capital : 2 000 000 Ariary
(durée 99 ans)
RCS-ANTS-2011-B-0032


Principaux associés :
Laurence D'HONDT, Laurent BOYER, Gilbert RAKOTONIRINA, Jean Marie DAVAL, Philippe ZENONE, Jean-Baptiste  MANSUY

Directeur de la publication:
Gilbert RAKOTONIRINA

Rédacteurs en chef :
Philippe ZENONE,
Jean-Baptiste MANSUY

Rédaction :
Maholy ANDRIANAIVO, Suzanne REUTT, Jean Marie DAVAL, Sandra VOKA, Christian BARBE

Fondateurs :
Laurence D'HONDT, Laurent BOYER

Responsable commercial :
Jean-Baptiste MANSUY
Tél : +261 32 75 068 35


Webmaster :
Philippe ZENONE
Tél : +261 32 04 925 17

Site hébergé par :
Amen
AMEN SASU,
12-14, Rond Point des Champs Elysées
75008 Paris.


Contenu du site :
les articles et les photos présentés sur ce site sont la propriété de leurs auteurs respectifs.

Le contenu de ce site est protégé par le droit d'auteur. Toute utilisation non strictement personnelle ne peut être faite sans l'accord de l'auteur.

Ces dispositions confèrent à l'utilisateur un droit d'usage privé, non collectif et non exclusif, sur le contenu du site. Il comprend le droit de reproduire pour stockage aux fins de représentation sur écran monoposte et de reproduction en un exemplaire, pour copie de sauvegarde ou tirage sur papier. Toute mise en réseau, toute rediffusion, sous quelque forme, même partielle, est donc interdite. Ce droit est personnel, il est réservé à l'usage exclusif et non collectif du licencié. Il n'est transmissible en aucune manière.

Tout autre usage est soumis à autorisation préalable. La violation de ces dispositions impératives soumet le contrevenant, et toutes personnes responsables, aux peines pénales et civiles prévues par la loi.

Bannière
Bannière