Nohon’ny fankalazana ny 20 taonan’ny orinasa Pêche et Froid de l’Océan Indien no nandalovan’Atoa Albert Camille VITAL teto Diego Suarez. Minisitra enina sy solon-tena-na andrim-panjakana maro no niaraka taminy tamin’izany.
Tamin’ny 28 hatramin’ny 30 aprily izany fandalovany teto Diego izany. Tonga teto ihany koa Rtoa Razafimandimby Irène, Minisitry ny varotra, Atoa Pierrot Rajaonarivelo, Ministra misahana ny toe-karena sy ny indostria, ny Jeneraly Herilanto Raveloarison, Minisitry ny tontolo iainana sy ny ala, Atoa Rafatrolaza Minisitry ny fiompiana, Atoa Jean Jacques Rabenirina, Minisitry ny fampianarana ary Atoa Raharisaina Hery, Minisitry ny jono sy harena an-dranomasina. Ankoatran’ny fankalazana ny 20 taonan’ny PFOI dia maro koa ireo foto-drafitr’asa notakanana teto Diego, ary mbola nisy ny fanomezam-boninahitra ny Jeneraly Monibou amin’ny maha olom-pirenena miavaka azy, avy eto Antsiranana, notolorana Grande Croix 2ème Classe de l’Ordre National izy noho izany.
Nihaona tamin’Atoa Camille Vital izahay ka nanaiky ny hamaly ny fanontanianay izy.
Mandalo am-pomba ofisialy eto Diego ianao Atoa Praiminisitra ary mafonja dia mafonja ny delegasiona manaraka anao. Inona no anton’ izay?
Efa elaela izay no nanasan’ny PFOI anay hanatrika ity faha 20 taonan’ny orinasa ity. Tamin’ny voalohany dia ny Filoha mihintsy no hoe hankaty fa nohon’ny andraikitra hafa ka tsy hahafahany miala moa dia nangataka ahy izy mba hisolo-tena azy. Ny Minisitry ny fampianarana moa dia nohon’ny fanokanana foibe toerana fanofanana mpampianatra no antony handehanany aty. Mahakasika ny departemanta tantanany izany.
Noho io delegasiona miaraka aminao io tonga eto, midika fankasitrahana tanteraka ny PFOI ve izany?
Eny. Tsy haiko raha nitsidika ny osinina ianareo fa tena iray amin’ny indostria manome lanja ny aty avaratra ny PFOI ary noho izany dia mitondra soa be dia be ho an’i Diego Suarez sy ny mponina izy. Maherin’ny 2000 ny mpiasa ary ny ankamaroany vehivavy. Hitako ny filaharan’izy ireo, mahavariana tokoa ary hita fa misy fifandaminana tsara.
Na dia ny 20 taonan’ny PFOI ary no tena manan-danja tamin’ity herinandro ity, nieritreritra ihany izahay hoe mety hapetraka ihany koa ny vato hanorenana ny kianja Mitabe sy ny hôpitaly vaovao ?
Efa nanomboka ny asa. Tokony ho nisy tokoa io fanamarihana am-pomba ofisialy io saingy tsy maintsy nandeha omaly moa ny Filoha. Tsy afaka nisolo azy aho satria efa teny nomeny ny hoe izy mihintsy no hanao io filazana io, hinoako fa tsy ho ela dia ho ataony izany.
Tsy misy sakantsakana izany ny hahatanterahana an’ireo drafitr’asa ireo ?
Ho tanterahana ireo ary manaraka ny « normes » fa mety tsy ho alohan’ny septambra. Mety tsy ho tanteraka daholo ny zavatra rehetra fa mba farafahakeliny ho vitaina ny drafitr’asa roa na telo toy ny any Toliara, Toamasina ary ny eto Antsiranana. Mahanjanga koa angamba.
Ny maha maika anay aloha izao dia ny fikarakarana ny fifidianana mba hialana faran’izay haingana amin’ny krizy. Averiko indray fa teteza-mita no tantananay izao. Nosafidiana ho Praiminisitra aho ny 20 desambra 2009 ka nanao izay ho afako aho nitantana ny governemanta mandra-pahatongan’ny sori-dalana. Izy io dia nametraka fa ny Praiminisitra dia tokony ho safidiana araky ny tolo-kevitra homen’ny vondrona politika ka tsy tokony hitovy antoko politika amin’ny Filoha. Tsy fantatro raha mahafeno ireo fepetra ireo aho fa ny azoko antoka dia tsy avy amina antoko politika aho ary tsy mbola tanatina antoko politika mihintsy. Kanefa, manana fifandraisana amin’ny antoko politika aho, tsy manam-pahavalo na olona hifanoherana ary tsy manofinofy toerana ara-politika…Tsy hilatsaka ho fidiana koa. Amin’ny maha miaramila ahy dia ny hahatratrarako ny fisotron-dronono no tanjoko, raha ny tokony ho izy amin’ny taona ho avy io.
Ny fahatanterahan’ny fifidianana izany no hahavitana ireo drafitr’asa ireo ary raha azonay tsara ny tianao lazaina dia mbola olana mipetraka ny famatsiam-bola ?
Izay mihintsy. Manana olana eo amin’ny teti-bola izahay nohon’ny mbola tsy mahafeno tsara ny fankatoavan’ny firenena avy any ivelany. Misy mpamatsy vola nampanantena anefa fa hanome vola saingy mbola ilaina aloha ny fanaovan-tsonia sy famaranana tanteraka ny sori-dalana.
Kanefa ny mpanapa-kevitra ny amin’ny fankatoavana na tsia ny solon-tenam-panjakana avy amin’ny firenena ao anatin’ny ONU nanaiky ny solo-tenan’i Madagasikara, tsy efa midika fankatoavana ny fitondrana malagasy ve izany ?
Tsy fantatra mazava hoe avy aiza no hiaingan’ny fankatoavana iraisam-pirenena… Ny SADC, manana andraikitra lehibe ao anatin’izany kanefa ny mpikambana ao mbola mandray ny hevitry ny Filoha teo aloha izay mipetraka any Afrique du Sud, izy koa dia mbola afaka manao soso-kevitra, mora foana, amin’ireo Filoham-pirenena ao ireo.Tokony nihaona tamin’I Zuma ny Filoha Rajoelina omaly nefa toa hoe nofoanana izany tamin’ny fotoana farany. Fomba fiasa mahazatra ny Filoha teo aloha Ravalomanana io ka mampalahelo ihany. Nahoana no manao fihetsika ohatr’izany?
Tsapanay ho tia mikarakara ny vahoaka aty avaratra ny governemanta. Maro ny delegasiona nandalo taty amin’ny Faritra nandritra izay volana maromaro izay. Afaka manome fanampim-panazavana ve ianao?
Mitovitovy ihany ny zava-misy amin’ny faritra eran’ny nosy fa ianareo mpanao gazety aty Avaratra dia ny aty no tena hitanareo. Mitombina ny eritreritrareo saingy maro koa ny zava-mitranga any amin’ny toeran-kafa, mety tsy dia betsaka noho ny eto fa tsy dia mifanalavitra ko anefa.Drafitr’asa efa novinavinaina efa ela ireo.
Nisy fangatahana izay ary efa nampitaina taty aminay ny amin’ny handinihana ny Commune Joffreville, nisy centre pédagogique tany ka azo harenina indray io trano io. Hodinihanay miaraka amin’ny Minisitera voakasik’izany io fangatahana io indrindra fa ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanomanana arak’asa.
Tao anatin’ny drafitr’asa hoe mbola hilana fandinihana ny fanarenana ny any Andrakaka mba ho tonga seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. Aiza ho aiza io drafitr’asa io izao?
Mbola vinavinaina ho tanterahana foana io hatramin’izao. Nisy delegasiona sinoa notaritin’ny Minisitry ny fitaterana nijery ny zava-misy tany an-toerana. Liana be amin’I Madagasikara ny Sinoa fa ny mampalahelo dia ny Eropeana no misalasala…Tsy mbola misy zavatra mivaingana aloha hatramin’izao. Raisinay daholo ny olona liana amin’io dia avy eo izahay hanao antso amin’ny firenena rehetra any ivelany.Efa nisy fandinihana natao mialoha ka hitady mpiara-miombon’antoka izahay avy eo, amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-bola. Raha ny fahafantarako azy dia ny piste no mila hamboarina tanteraka ary hasiana tetezana mampifandray an’i Cap Diego amin’ny tanàna mba tsy haha lavitra ny lalana.
Mipetraka amin’ny fizahan-tany ny toe-karena aty avaratra. Mitaintaina ny mpiasa ao anatin’io sehatra io ankehitriny manoloana ny olana lalovan’ny Air Madagascar. Ahoana no fahatsapanao ny zava-misy?
Mbola hilamina io. Sazy B no azontsika, fampitandremana. Araky ny fanamarihana sy fanitsiana isan-karazany natao dia tsy ho ela dia hivaha ny olana sady ny sidina mankany sy miainga any Eropa ihany no voakasik’izany. Ny sidina anatiny sy sidina iraisam-pirenena sasantsany mbola mandeha tsara daholo, toy izany ny mankany Comores, Mayotte, Maurice, Asie miaraka amin’ireo Boeing 767 anankiroa. Ireo olana ireo dia mahakasika indrindra indrindra ny ara-teknika izay vokatry ny tsy fahaiza-mitantanana nandritra ny taona maro, ankehitriny dia isika no mizaka ny vokany.
Nolazainao fa nihaona tamin’ny mpampandry fahalemana ianao omaly. Inona no hevitra nivoaka tao ?
Manahirana ny olana apetraky ny « Foroches ». Toa fifaninana teo amin’ny vondrona mpanao politika sy zanatany eto Diego no niatombohany. Toa nisy namatsy vola ireny ankizy ireny tamin’izany fotoana izany mba hanakorontana rehefa misy fihaonana ara-politika. Na efa najanona ary io fomba fanao io dia efa zatra ny tanora ka mbola notohizany hatrany. Neritreretiko efa nilamina anefa ny olana hatrizay ?
Sady eny no tsia, nilamina ny fetin’ny Paska tao aorian’ny fandrahonana nataon’ny foroches. Naleon’ny olona nijanona tany an-tranony toy izay ho voaratra any ivelany any. Marobe ireo mpitandro ny filaminana nandritr’iny faran’ny herinandro iny, indrindra tany Ramena.
Diso ihany ny mpitondra teto nandritr’izay fotoana lasa izay. Nihaona tamin’ny olona tao amin’ny fitsarana aho. Tsy tokony avotsotra fotsiny ireny tanora mpandika lalàna ireny. Mila hentitra kokoa mba hanajany ny lalàna na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ny lalàla lalàna foana! Tsy ho adinoko mihintsy ny hamerina an’izay amin’ireo olona voakasik’izany alohan’ny hialako eto.
■