Retour haut de page

Mbola tsy lefy laza ny resaka «Pele-Mele»

Ankoatra ny afera nahatrarana an’i Pele-mele dia mitohy hatrany ny fanaparitahana ny filma mamoafady tahaka ny nataony. Ny zava-misy dia azo ilazana fa tsy izy irery no tia io zavatra io Roapolo andro izay no lasa tamin’ny fisamborana an’ilay tera- tany karana Aly Mehboub fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “pêle-mêle”, kanefa tsikaritra fa tsy mbola afaka eny am-bavan’olona io vaovao vetaveta io. Tsy vitan’izany ihany fa mbola miparitaka etsy sy eroa ireo kapila mangirana (CD) mirakitra ireo sary vetaveta nalain’i “pelemele” niaraka tamin’ireo vahivavy Malagasy , na dia teo aza ny fandraràna hentitra nataon’ny lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny fampanoavana ny amin’ny tsy tokony hanaparitahana izany intsony. Tiana ny mampatsiahy etoana fa nosamborin’ireo mpitandro filaminana tamin’ny 17 febroary lasa teo , tao an-tranony ao tanambao Tsena, lalana Justin Bezara, izy. Ka nandritra ny fisamborana dia voatery nanemitra ny tranony sy ny manodidina ireo mpitandro filaminana maro ireo mba isorohana amin’ny fanararaotana sy ny tendrompo tsy mba namana. Maro tamin’ireo fianakavian’ireo tovovavy nalaina filma mantsy no tsy faly noho ireo horonantsary naparitaka tsy nahazoana alalana ireo. Marina tokoa fa tsy vao sambany no nahaizana ny fisian’itony horonantsary mamoafady novokarina teto an-toerana itony, saingy ny fampisehoana miharihary ny tarehin’ireo tovovavy izay tsy zoviana eo amin’ny fiaraha- monina sady mbola tsy ampy taona, no tena manahirana sy mampahasosostra amin’ity raharaha ity. Na inona na inona mantsy lazaina dia mbola tsy zakan’ny vavon’ny ankabeazan’ny mponin’Antsiranana, izay mandala fatratra ny kolotsainy sy ny fombandrazany mihitsy ny fanaparitahana sary mamoafady toy izao. Heverin’ny firaha-monina Malagasy ho fanimbana ny soatoavina mahaizy azy izany satria tsy nekeny hatramin’izay. Ka inoana raka izany fa tsy hamindrany fo mihitsy. Tsy atao mahagaga , araka izany, raha toa ka tomefy olona ny lapan’ny fitsarana nandritra ny fampidirana an’I Pele-mele sy ny lehilahy iray voapanga ho mpiray tsikombakomba taminy tamin’ny fanomezana efitrano nahafahana nanao ny fakan-tsary rehetra. Tazana teny an-toerana ihany koa ireo tovovavy fito nitory azy tamin’izao raharaha izao. Araka ny fantatra moa dia naiditra am-ponja vojy maika izy sy io tompon-trano io ary any izy ireo no miandry ny fitsarana azy, na dia teo aza ny fahavononan’ity anti-dahy karana vetaveta ity ny hanambazana vola be ireo lasibatra.

HORONAN-TSARY PÔRNÔ MARO KARAZANA
Vita aloha iny ny an’i Pêlemêele ary izy no tratra ka anjarany ny mijinja izay nafafiny. Fa diso tanteraka ny fihevitra raha ilaza fa izy irery ihany no lehilahy mahavita zava-dratsy toy izao. Manamarina izany ny tranga hafa izay niseho tao aorian’ny nisamborana azy. Horonantsary hafa indray izay mampiseho ny tarehim-behivavy tanora iray mampiangoty tanora lehilahy iray mipetraka ao Tanambao I, no nanomboka niparitaka manerana ny tanàna. Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia nampiseho fihetsika hafahafa i R.mpilalao fototra tao anatin’ilay filma, rehefa notabatabain’ny vady keliny sy ny fianakaviany.
Nampangainy ho tompo-marika tamin’ny fanaparitahana ilay horonan-tsary i A. mpiray monina aminy ihany izay namarotany kasetin’ny kamera nitahiry ireo sary vetaveta ireo, tamin’ny taona lasa. Norahonany ho faty ampahibemaso izy tamin’ny alin’ny 22 febroary lasa teo. Niverenany indray koa izy ny ampitson’io andro io ary nandrahona ny handoro ny tranon’ity farany. Rehefa tsikaritr’i A. fa mitohy ny fandrahonana dia voatery nametraka fitarainana tany amin’ny polisy izy, satria voalzany fa tsy mitobina ny fiapangan’I R azy. Nomarihany fa efa nofafan’I R. io kasety io tamin’ny fotoana nanomezany azy an’i A. tamin’io fotona io.
Fa aleo hiverenantsika kely ny mikasika ity resaka filma porno ity. Ankoatran’io tranga etsy ambony io koa mantsy dia mpitsara iray niaraka tamin’ny vady keliny koa no hita ao anaty horonantsary vetaveta iray. Manaporofo ireo rehetra ireo fa tsy irery I Pele-mee ary inoana fa mahafaly azy ny vaovao henony. Fanamarihana hatrany no ilazana fa lasa voambolana ampiasain’ny olona andavanandro ny teny “pele-mele” ilazana ny hevitra ambadiky ny firaisana aranofo miaraka amin’ny fomba nampiasain’ny tmpon’anarana.

FIJOROANA VAVOLOMBELON’IREO VOADONA
Mpaiantry ny Lycee Mixte i C.N.A ary mbola tsy ampy taona. Anisan’ireo tovovavy voajonon’I Pele-mele anefa izy ary nampanaoviny ireny fihetsika mamoafady ireny.
Nampanantena ny hanome vatsim-pianarana any am-pita azy ity karana malaza be vola ao Antsiranana ity ka dia roboka izy. “Mba ho fisaorana azy noho ny fanomezana lehibe notononiny fa homeny ahy dia nangatahany hanao zavatra tsy sitrako aho” hoy I C.N.A nanazava sady nifendrofendro te-hitomany.
Mazava anefa fa tsy nisy vatsim-pianarana nomeny akory fa fandrebirebena sy fandraikirekena nentina nanangoly ity tovovavy vao 17 taona ity fotsiny. Na inona na inona anefa lazaina dia tsy tokony ho i « Pêle-mêle » irery no hijinja ireo asa mamoafady ireo.
Izay rehetra nanao kopia sy nanaparitaka ireo horonantsary ireo dia tokony ho voasazy ihany koa. Tsy manana zo hanitsakitsaka ny fiainana manokan’ny hafa izy ireo. Marihana fa ilay horonantsarin’ilay fonksionera dia hita tao anaty “carte mémoire” n’ny telefaonin’azy very nisy nangalatra.
Tato ho ato di a efa noparitaka manrana ny Nosy io filma vetaveta io ka namoaka azy avokoa ireo mpivarotra pirty any Mahajanga sy any atsimo,indrindra fa ny ao andrenivohitra. Ny fivarotana io filma io any amin’ireo distrika samy hafe ato amin’ny faritra Diana moa dia niroborobo tokoa tato ho ato. Ifandrombahana izany any Nosy be sy Ambanja ary misy mahasahy mivanga lafo izany any Ambanja sy Ambilobe. Eny fa na dia ireo zaza madinika aza dia mividy azy satria te-hahita raha sy te hangala tahaka ihany ko aangamba.

B.Bico (nadikan’i Pascal)

Vous devez être connectés pour pouvoir écrire un commentaire

AV 4x4 Sportero L200

Pick-up mitsubishi l200 sportero

  • couleur blanche modèle 2005
  • première mise en circulation 2006
  • 131786km
  • visible à Diego Suarez

10000 euros

tel: 032 66 651 75

La Tribune de Diego en PDF

Télécharger La Tribune de Diego N°182 en PDF
N°182
Semaines du 12 au 25 avril 2017
Télécharger
La Une : Gendarmerie nationale DIANA : Restaurer la confiance pour endiguer la vindicte populaire
Le syndicalisme n’est pas qu’un mouvement de revendications
Les premières années de Diego Suarez - 1925-1930 : Diego Suarez, capitale de la contestation coloniale
Dossier : Athlétisme : « Nous pouvons faire mieux avec des soutiens financiers »
Cyber Diego Com
Normada.com, le site de référence du Nord de Madagascar
Office Régional du Tourisme de Diego Suarez
Agence de Presse de l'Océan Indien
 
© Cyber Diego Com 2005 - 2024