Retour haut de page

Nidina an-dalam-be ny mpianatry ny CUR

Mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana miaraka amin’ny fisondrotana 10% izy ireo. Tsy nahafaly ny valin-tenin’ireo mpitantana dia izao no niafarany. Voatonontonona ny anaran’ny filoha vaovao. Manampy trotraka ny tsy mbola nampiasaina ny trano vaovao. Mbola hitohy.

mpianatry ny oniversite. Tsy araka ny “rômbo” nataon’’ireo mpianatry ny oniveriste ny ministry ny fampianarana ambony Anthanase Tongavelo tamin’ny 26 martsa lasa teo ny zavanitranga eny amin’ny CUR hatramin’ny zoma 9 aprily lasa teo. Tamin’io fotoana io mantsy no nanambara tamin’ny fomba manetriketrika ity farany fa hasondrotra 10% ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana ireo mpianatra eny amin’ny oniversite. Horakoraka sy tehaka tsy nifandrenesana no nandraisan’izay tao anatin’ny “Amphitheatre polythechnique” izany fanambarana izany na dia tsy voalaza mazava aza ny andro sy ny fotoana handoavana izany. Mpifankatia tsy nifamarafara tokoa hono ka ady no iafarany, ary dia n oporofoin’ireo mpianatra tokoa ny fahamarinanin’io fahendren’ny Ntaolo Malagasy io. Tamin’io Zoma 9 martsa io ihany , nanao fivoriam-be nifidianana izay ho filoha handimby an’Ingahy Jesosy izy ireo , saingy tamin’io koa no nanapahana fa haato ny fampianarana manomboka ny Alatsinainy 12 martsa ho fanehoana ny fitakiana . Fantatr’izy ireo mantsy, araka ny voalazan’ireo mpitantana ny Oniverite, fa tsy mbola afaka handoa miaraka ilay fampanantenana natao izy ireo noho ny tsy fisian’ny vola. Eny fa na dia ny volan’ny vatsimpianarana fotsiny tsy misy fisondrotana aza dia mbola manahirana. Tsy nahafaly ireo mpianatra ny valin-teny.Tsy te-hahalala izay krizy sy ny manodidiana azy izy ireo fa tonga amin’ilay fiteny hoe “zaza nomen-tanan’ondry ka na soloina hofany aza dia tsy omeny”. Ny kibo ihany koa tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Tetsy ankilany kosa ,ireo mpitantana ny oniveriste dia toa tsy niezaka naka ny toeran’ireto “mosary”, ka nihanona fotsiny tamin’ny hoe “ny tanimena ve hirehitra”. Araka izany dia henjandroa ny tady nanomboka teo ary dia tsinjo sahady fa ho sarotra ny raharaha. Tsara mantsy ny mampatsiahy eto fa zary lasa fanao mahazatran’ny mpianatry ny CUR ny migrevy rehefa hitaky vatsim-pianarana izy. Saika ahitana grevy foana amin’ny ankapobeny ny taom-pianarana iray. Ny tena henjana tamin’ireny dia izay niseho tamin’ny taona 2006 izay namotehan-dry zalahy ny Jirama sy ny nisamborana mpianatra 93 tao amin’ny tobin’ny zandary Antranobozaka. Tsy vitan’ny fampiatoana ny fampianarana anefa ny zava-nisy fa niafara tamin’ny fidinana andalam- be. “Tany am-boalohany dia tsy nifanarahana ny hijotso andalam- be kanefa tampotampoka teo dia roso ny dia”, hoy ny mpianatra iray sanganehana, saingy tsy maintsy nanaraka ny be sy ny maro noho ny tahotra. Ny Alatsinainy tokony ho tamin’ny 9 ora dia efa nihazo ny Lapan’ny tanana ny filaharamben’ireo mpianatra. Namakivaky ny tanana izy ireo tamin’izany na dia tsy nahazo alalana tamin’ny manam-pahefana tandrify izany aza. Avy eo dia nanaraka ny lalana Ankarana alohan’ny hiverenana teny amin’ny Oniveriste. Fiopioka, dihy, horakoraka … no nanakoako teny am-pandehanana. Ny sasany tamin’ireo mpianatra kosa dia nilanja soratra naneho ny fitakiana. Anisan’izany ny hoe “Mosary izahay”, “aiza ny volanay”…Marihana anefa fa tsy nisy ny fihoaram-pefy na ny fandrobatana fananan’olona tamin’io andro io. Ireo mpitandro ny filaminana koa moa dia tazana teny rehetra teny nanao ny asany mba hisorohana izay mety ho fanararaotana. Ireo mpivarotra koa nampiseho fahamalianana ka tsy vitsy ireo nanakatona ny fivarotana nandritra ny fandalovan’izy ireo. Na izany na tsy izany anefa dia nisy toetra nampalahelo sy nahamenatra ihany nasehon’ireo mpianatra sasany mpanao fihetsiketsehana tamin’ny mpanao gazety iray nanao ny asany. Mampalahelo tokoa mantsy ny mahita ireo mpianatra izay ho tonga tompon’andraikitra eny amin’ny oniversite sy eto amin’ny firenena amaray sy afak’amaray kanefa mamopoka mpanao gazety eo am-panaovana ny asany. Tsy ny mpanao gazety ve no fitaovana iray manampy ny mpianatra hahatanteraka ny fitakiany? Tsy ny lahatsoratra sy vaovao avoakan’ny mpanao gazety ve no manaitra ny sain’ireo mpitondra hifantoka any amin’ny grevy ataon’ny mpianatra? Ary tsy ny mpanao gazety ve no hamoaka ny vaovao sy sary amin’ny “sortie de promotion” na “soutenance de memoire? Tsy tokony hadino fa tsy ny nataon’ny mpanao gazety akory no tsy nahavoaloa ny vatsim-pianarana. Tsy ny fandarohana mpanao gazety sy fakana ny fitaovana hiasany koa no hampivoaka ny vatsimpianaranana. Teny atsipy iny ka am-po miheritra. Torak’izany koa anefa ireo fihetsika feno herisetra sasany izay hita fa tsy mifanaraka amin’ny andro ankehitriny intsony. Efa mpianatra mahay mikirakira fitaovana informatika ny mpianatry ny oniveriste amin’izao fotoana izao ka tokony ho ny saina amin’izay no mibaiko fa tsy ny angovo mba ho tanteraka ilay teny filamatra hoe “hitondra mbony ny fanevan’ny sekoly.

Pascal R.

Vous devez être connectés pour pouvoir écrire un commentaire

AV 4x4 Sportero L200

Pick-up mitsubishi l200 sportero

  • couleur blanche modèle 2005
  • première mise en circulation 2006
  • 131786km
  • visible à Diego Suarez

10000 euros

tel: 032 66 651 75

La Tribune de Diego en PDF

Télécharger La Tribune de Diego N°182 en PDF
N°182
Semaines du 12 au 25 avril 2017
Télécharger
La Une : Gendarmerie nationale DIANA : Restaurer la confiance pour endiguer la vindicte populaire
Le syndicalisme n’est pas qu’un mouvement de revendications
Les premières années de Diego Suarez - 1925-1930 : Diego Suarez, capitale de la contestation coloniale
Dossier : Athlétisme : « Nous pouvons faire mieux avec des soutiens financiers »
Cyber Diego Com
Normada.com, le site de référence du Nord de Madagascar
Office Régional du Tourisme de Diego Suarez
Agence de Presse de l'Océan Indien
 
© Cyber Diego Com 2005 - 2024